Aoka aloha pasitera

Nisy pasitera tonga tao amina tanana iray. Tanana vaovao taminy ilay izy satria ao izy no hamita iraka vaovao.

Koa tsy maintsy nanontany olona. Nanontany olona efa ho dimy ngamba izy, tsy misy mahalala.

Ka farany, nifanena t@ lehilahy efa mamomamo izay ary izy :

Pasitera : sao dia mba hitanao ny fiangonana eto ?
Mamo : ie hitako. Mandeha mahitsy, miodina avy eo dia eo ankavanana eo.

Lasa pasitera, ka hitany ihany tokoa ilay izy. Faly izy ka nandeha hiverina hisaotra an’ity ranamana nanoro azy ity :

Pasitera : tena hitako ilay izy r’se an! Fa hono oa r’se, te handova ny lanitra ve ise ?
Mamo : aoka aloha pasitera an ! ny fiangonana ary toa tsy hitanao koa ahoana no ahitanao ny lanitra

S’abonner
Notifier de
1 Commentaire
Inline Feedbacks
View all comments
Sarah
il y a 2 mois

Tena mamo ve lery sa mody mamo 😁

error: ce contenu est protégé
1
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x