Tara 1 volana

– Mitaintaina be aho cheri a
– Fa maninona
– Tsy izany fa tara 1 volana ny fotoanako
– Esy, fotoan-gasy izany malala fa aza atao mahataitra a

:) Zarao @ namanao

Lasa be volofotsy

– fa maninona kay i dada no lasa be volofotsy ?
– hahaha, rehefa manao ireny ditra kely ireny ise anaka dia miha betsaka toy io ny volofotsiko
– maditra be izany i dada, raha ny volofotsin’i dadabe no isaina

:) Zarao @ namanao

Mandoa imasom-bahoaka

Aleo mihinana sakafo tsara foana mba hiomanana @ ilay mandoa imasom-bahoaka : ilay namako zao nandoa vary sosoa maina be teo, tonga dia nividianako saosisy sy coca, dia natsipiko sy nararako haingana teo ambonin’ireo zavatra naloany teo @ tany ireo fa mahamenatra

:) Zarao @ namanao

Rehefa ilay mitady asa

Rehefa ilay mitady asa :

Amerika : inona no hainao atao ?
Frantsa : inona ny diploma hanananao ?
Madagasikara : iza no nandefa anao ?

:) Zarao @ namanao

Kivy aho taloha

– Kivy aho taloha fa 6 volana sisa ny andro iainako hoy ny dokotera.
Avotra kosa aho @ zao fotoana.

– fa ahoana letia ? Inona ny fanafody nohanin’ialahy ?

– An an an,
Novonoiko ilay dokotera, dia nahazo 30 taona an-trano maizina aho

:) Zarao @ namanao

handefa blagy

error: ce contenu est protégé