perruque mahafaty

Indray andro nifamaly ireto mpirafy vavy niady lehilahy.
– Vonoko ianao fa tsy maintsy lasako ny vadinao
– Ataovy raha mahavita e!

Nandeha tany amin’ny mpanao fanafody gasy ilay vehivavy tsy tompom-bady. Nasain’ilay mpanao fanafody nitondra singam-bolo ilay vehivavy.
– Jereonao tsara fa miongotra be ny volon’ilay rafinao iny dia maty izy aveo.
Jerena tsy misy miova, tsy nisy fiantraikany akory.

Ilay olona tompon’ny volo tany ivelany no maty. iii

Roahako ianao an !

Nisy mpivady izay manofatrano ao ambaninay. Matetika toa miady foana izy ireo amin’ny alina be.
Ramatoa : Roahako ianao an ! roahako ianao an !
Rangahy : marenina an ! efa hoe maren ianao an !

Tena mankaleo be mihitsy, ny maraina nefa dia toa mifankatia be tsy misy hoatran’izany izy roa.

Kay rehefa tena nodinihina dia hoy :
Ramatoa : Roi-ko ianao an ! Roi-ko ianao an !
Ary hoy Rangahy : Ma reine an ! ma reine ianao an !

Hitako zareo miombona sy mifankatia be foana rehefa maraina ny andro

Kotroka sy orana

– dada an! Fa maninona oa no avy ny orana e?
– manasa lamba l’ty Andriamanitra a!
– ary ny kotroka zany manao inona izy?
– mampirin-trano lesy a!
– dada ary rehefa manerika zany dia maninona izy e?
– mandro ao amin douche letsy a, ary andana amin zay ialahy mandeha any!

Manja

Nisy mpinamana vehivavy roa tafiara-dalana :
– hay manja akia ndry androany.
– zany ve akia ? misaotra akia an!
– tsisy fisaorana akia. Fa saingy tsy hita fotsiny ilay izy rehefa miaraka amiko ndry!

Boeing

Nisy olona roa mpinamana niaraka indray andro, ka ny iray avy any ambanivohitra ary ny iray avy any andrenivohitra.

Ka nahita fiara-manidina teny amin’ny lanitra teny :
– Mbô inona ary iny e?
– Ie ! boeing iny e
– aaa iny amin lanitra iny, mbô inona iny e?
– ie boeing iny oa!
– Tsy azonao lay izy, mbô inona iny ?!?!?

error: ce contenu est protégé