Tsy maintsy nody

Miasa hariva mirava @ 11 ora alina ny tena ka toy ny mahazatra dia tsy mody fa mijanona ao am-piasana.

Fa androany kosa tsy maintsy nody satria ijery ny équipe malagasy anao can. Efa tsy misy bus intsony fa nande tongotra.

Mba ialana @ mpanendaka dia nesorina avokoa ny akanjo ary caleçon sisa nanaovana teny andalambe.

Tonga soamantsara tsy nisy nikitika sady nahatratra baolina

:) Zarao @ namanao

Hanasa tarehy vetivety

– hande hanasa tarehy vetivety aloha aho
– eny aki cherie an
– … zay ô
– oay ! fa iza ianao azafady

:) Zarao @ namanao

Aina sa vola ?

Ratsy vintana, sendran’ny mpanendaka :
– aina sa vola ?
– inona anefa aloha ny fanomezana azoko raha marina ny valinteniko ?
– tsy manana fanomezana omena an’ialahy letia ny aty e
– lasa ary aho fa veloma ianao

:) Zarao @ namanao

Raha mahita sipa manjakely

– Raha maty ve aho lesy dia mbola hanambady ialahy ?
– tsia akia, tsy hanambady intsony aho
– raha mahita sipa manjakely ve ialahy dia entin’ialahy ao @ fandrinantsika ary e ?
– a a a re e, sanatria ny vava re izany, aza miteniteny foana eo
– de hampanaovin’ialahy ny ankajoko ve izy ?
– tsy hisy an’izany oa, fa ianao ve maninona e
– dia asain’ialahy mitondra ny fiarantsika ve ?
– izy ary tsy mahay mitondra fiara ko

:) Zarao @ namanao

Mariazy malagasy

Mariazy any Amerika :
Isan ny olona nasaina = 100
Isan ny olona tonga any @ fiangonana = 100
Isan ny olona tonga ao @ mairie = 100
Isan ny olona tonga fety = 50
Fanomezana azo = 65
Zavatra very = 0

Mariazy any Frantsa :
Isan ny olona nasaina : 50
Isan ny olona tonga any @ fiangonana = 75
Isan ny olona tonga any @ mairie = 40
Isan ny olona tonga fety = 100
Fanomezana azo = 90
Zavatra very = 0

Mariazy Madagascar :
Isan ny olona nasaina = 500
Isan ny olona tonga any @ fiangonana = 900
Isan ny olona tonga any @ mairie = 350
Isan ny olona tonga fety = 830
Fanomezana azo = 120
Zavatra very = finday 55, lovia 40, tavoahangy whisky 90, sotro 45, fankatsary 7, ankizy 8, olon-dehibe 3

:) Zarao @ namanao

handefa blagy

error: ce contenu est protégé