tsy tara indroa

Fa maninona ary ny mpiasam-panjakana no mody atsasak’adiny mialoha rehefa @ hariva ?

@ izay izy tsy tara indroa anatin’ny iray andro

:) Zarao @ namanao

Tsy haiko

– inona lty ny dikan’izany ” I dont know” @ fiteny malagasy ?
– “tsy haiko”

Atsasakadiny izy roalahy nifamaly teo foana

:) Zarao @ namanao

Mampiresaka sipa ao anaty Bus

Mampiresaka sipa ao anaty Bus Koto.

Hoy izy : « Inona no asanao ty ? ».

« Za ngah miasa » hoy ilay sipa. « Mbola mitady mihintsy a io fa vao telo velona a izay no nivoaka an’Anjanamasina ».

Tsy nahateny Koto.

Hoy ihany ilay sipa « Laingako re zany. Enao koa o. Vao afaka omaly no nivoaka an’Anjanamasina »

:) Zarao @ namanao

noana ny vahoaka

Nanao Conférence teny amin’ny Oniversite ny minisitry vola :

Hoy ilay mpianatra iray taminy am – patezerana :

«  Nareo ao amin’ny governementa ao tsy miasa mihintsy. Ny vahoaka ty efa noana » .

Hoy ngah minisitra tsy taitra  «  Normal ny vahoaka raha noana. Ny andro, sady mijery montre lery, efa amin’ 12 »

:) Zarao @ namanao

DIDY FOLON’NY HAKAMOANA:

1/ Zava-masina ny asanao sy fianaranao, ka aza kitihana matetika
2/ Mialà sasatra ny andro, mba hatorizanao ny alina
3/ Aza atao anio izay mbola azonao atao rahampitso
4/ Rehefa tonga ao aminao ny faniriana hiasa, dia mangalaha aina kely, ho hitanao fa handalo ihany izany
5/ Mahaiza manampy olona, rehefa ilay mitsotsotra iny izy
6/ Tsy mahafaty ny mipetraka
7/ Mandehana dieny malaina, mandehana matory
8/ Ny 10% hozatry ny olombelona ihany no miasa rehefa matory, mahatratra hatramin’ny 80% izany rehefa miasa, koa nahoana no mandrera-tena?
9/ Ny tanjon’ny olona miezaka mafy dia ny hanana ny ampy mba hakana aina, fa maninona raha tonga dia maka aina e!
10/ NY torimaso no hitovizana amin’ny mpanakarena, mba manak’ambo hoe manan-karena, matoria

partageo ho an’ireo namanao kamolahy sy vavy.

:) Zarao @ namanao

handefa blagy

error: ce contenu est protégé