Dada: O ry Lita an! mba avoahy any ity kiraron’dada ty fa manitra be ilay fromage!
Lita: dada an! ny olona efa tsy ampy sakafo, ny an’i dada mbola ataon’i dada any anaty kiraro ihany ny fromazy
Mivory ny mpianakavy ny hariva. Ka manao blagy i dada ka dia mihaino ery ireto zanany fito mianadahy.
– Nandeha ny blagy voalohany, tapa-tsinay avokoa zareo rehetra hafa-tsy i Koto lahy fahatelo.
– Nandeha ny faharoa, niomehy avokoa ny rehetra hafa-tsy i Koto.
– Nandeha ny fahatelo, fahaefatra, fahadimy, mbola tsy niomehy izy.
Tonga kosa anefa ny fahafito zay izy vao niomehy. Nanontany dada
dada: fa maninona zay ialahy vao mba niomehy ry Koto?
Koto: Ka zay ry dada vao azoko ilay blagy tamin’ny voalohany an!