Marary ve

– allo … marary ve ilay manao tatouage ramose ?
– miankina @ ilay faritra hanaovana azy io tompoko
– izaho aty Mahajanga, mety harary ve ?

:) Zarao @ namanao

Nofelahanao nefa mbola matory

– fa maninona kosa ary aho ramatoa no tonga dia nofelahanao, nefa mbola natory ?
– lazao amiko : iza iny sipa niarahanao tao anaty nofiko iny ?

:) Zarao @ namanao

Anjely maka aina

Anjely anankiroa mifampiresaka :

– hanao ahoana ny toetr’andro rahampitso ?
– hisy rahona betsaka
– hum, mba afaka mipetraka maka aina kely izany isika

:) Zarao @ namanao

tsy hanao intsony

– Mbola hanao ialahy sa tsy hanao intsony
– Tsy hanao intsony fa mifona lesy a
– Fa raha mbola tratra manao eo dia ahoana ?
– Mifona indray e, tsy hanao intsony

:) Zarao @ namanao

ny anay arodanay

Nisy fianakaviana telo zany nandova trano be misy rihany roa :

Hoy ny fianakaviana farany ambony : ny anay hanaovanay hotely

hoy kosa ny fianakaviana nahazo ny rihana voalohany hoe : ny anay hampanofanay

hoy ary ny fianakaviana fahatelo farany izay nahazo ny eo ambany hoe : ny anay ho arodanay …

:) Zarao @ namanao
error: ce contenu est protégé