Mampirafy ahy amin’i Zety

Mifamaly ireto mpivady:
– Tadidiko erý ny voadinao tamin’ny mariazintsika hoe: tsy hisaraka amiko ianao na ho boka na ho kilemaina, na ho jamba an!
– Marina akia zany chérie vadiko an! tsy mandainga aho ary mbola tsy nivadika tamin’izany.
– Ka maninona ary vao ireto nifiko ambony ireto fotsiny no niala dia efa lasa sahady ianao mampirafy ahy amin’i Zety ?

Hisaraka aminy

– Izaho mopera tena leo ny vadiko, te hisaraka aminy aho.
– Tsy misy vahaolana hafa ve anaka?
– Tena maditra be ny vadiko fa dia mampirafy ahy loatra izy : efa betsaka loatra ny lehilahy fantatro niaraka taminy.
– Alamino anaka an! izaho ary efa tsy fidiny ny nisaraka taminy.

Lasalasa tampoka ny tsiambaratelon’ i mopera

Bodo

Nisy rangahy mpinamana tafiara-dalana.
– Hafa ihany rangah ty ny miara-matory amin’ny Bodo rehefa amin’ny alina amin’izao ririnina zao an.
– Iza zany Bodo zany rangah ty. Nga ialahy mampirafy?
– aaa, zahay mivady mihitsy ary no miaraka aminy ao koa.
– Fa iza lesy zany a? Hafahafa an
– Bodofotsy lay matevina tsara iny lesy an!

hanao ZUMBA

Madama be mipetraka any ambanivohitra be avy taty Antananarivo.

Hoy izy tamin’ny namany : Misy fika milay be r’ty ty hitako tany Antananarivo a.

Tsy ho tratra intsony ntsika manomboka eto rehefa mampirafy . Fika inona r’ty zany  hoy ty namany.

Hoy izy : rehefa mivoaka ny trano hampirafy iny ty ka manontany ny vadin’ity hoe aiza : dia teneno hoe handeha hanao ZUMBA.

Hangina izy amin’izay

error: ce contenu est protégé