Toa mafy be

Mpividy : tsy efa omaly ve ity mofo dipaina ity ramose fa toa mafy be ?
Mpivarotra : mofo androany nga no tadiavinao ?
Mpividy : ie, aleo mofo vao androany azafady tompoko
Mpivarotra : miverena ary rahampitso

:) Zarao @ namanao

Mitovy amin’iny

– tadidin-dry ve akia ilay fiara tsara be hitantsika tany @ mpivarotra, tian-dry be iny ry malala ?
– ie, tena tiako be mitsy iny; novidian’ialahy ho ahy ihany nga kia iny malala ?
– nividy satroka mitovy loko @ iny ho an-dry aho

:) Zarao @ namanao

Tsy manao trosa anio

Soratra hitako tao @ mpivarotra iray :

Tsy manao trosa anio afa tsy @ olona mihoatra ny 80 taona + taratasy nosoniavin’ny ray aman-dreniny

:) Zarao @ namanao

Gateau au courgette

Mandalo ao amin’ilay pâtisserie foana ity tanora iray isa-maraina:

Tanora: Misy Gateau au courgette ?
Mpivarotra: tsy misy

Ny ampitso dia toy izay ihany no fanontaniany

Farany nanao gateau au courgette ilay mpivarotra, ka nandalo ary ilay mpividy ny maraina ary nanontany toy ny mahazatra:

Tanora: Misy Gateau au courgette ?
Mpivarotra: ie, misy (sady nitsiky)
Tanora: din, zany ve tsy ratsy beuh

:) Zarao @ namanao

handefa blagy

error: ce contenu est protégé