Ny maraina aho tsy misakafo
Mieritreritra anao.
Ny atoandro aho tsy misakafo
Mieritreritra anao.
Ny hariva aho tsy misakafo
Mieritreritra anao.
Ny alina aho tsy matory
Fa noana
Nanao Conférence teny amin’ny Oniversite ny minisitry vola :
Hoy ilay mpianatra iray taminy am – patezerana :
« Nareo ao amin’ny governementa ao tsy miasa mihintsy. Ny vahoaka ty efa noana » .
Hoy ngah minisitra tsy taitra « Normal ny vahoaka raha noana. Ny andro, sady mijery montre lery, efa amin’ 12 »