ianao no tiako

– Hono oa akia ry malala : iza no tianao
olona manan-tsaina sa olona tsara tarehy sy tsara bika ?

– Aza matahotra, aza manahy akia fa ianao no tiako a

:) Zarao @ namanao

Tao am-paosiny

– fa ahoana letia no nahavaky ny pneu an’ialahy toy izao ?
– nanitsaka tavoahangy lesy a
– nga tsy hitan’ialahy ilay tavoahangy ?
– … ka tao am-paosin’ilay olona voahitsako

:) Zarao @ namanao

Tsy manao trosa anio

Soratra hitako tao @ mpivarotra iray :

Tsy manao trosa anio afa tsy @ olona mihoatra ny 80 taona + taratasy nosoniavin’ny ray aman-dreniny

:) Zarao @ namanao

Niroboka daholo

Gaga aho fa nisoty nirotsaka tao anatin’ilay dobo filomanosana daholo ny olona, nefa ilay dobo aza tsy misy rano akory.

Izay tonga iray dia nisoty, nisoty. Anefa efa hita zao fa dobo tsy misy rano.

Ela ny ela, mba nisy ankizy anankiray izay anefa tsy nety nisoty tao @ ilay dobo tsy misy rano.
Tsy naharitra aho ka nanontany :
– fa maninona ise no tsy miroboka ?

– sady mitomany izy no namaly : ka tsy nitondra maillot de bain aho kouu

:) Zarao @ namanao

Gidro ratsy tarehy

Hoy ity zanaka gidro t@ mamany : hono oa ry mama, fa maninona kay isika no toa ratsy tarehy be ?

Hoy ny mamany namaly :
isika ary mba azoazo ihany, fa ilay olona mamaky an’ity blagy ity nge ka tena ratsy tarehy be kokoa e

:) Zarao @ namanao
error: ce contenu est protégé