Fasika roa

Mba tonga teny amoron’dranomasina zany ireto fasika anankiroa :

Ary toa be olona sahady aty e !

:) Zarao @ namanao

Mora zaka

– Ngah efa misy olona miaraka amin’elà ?
– Mbola tsisy.
– Koa maninona no ataon’elà « en couple » ny ao amin’ny facebook.
– Ka manamora ny fampiresahana ao io. Tsy ho mailo ny sipa amin’izay hoe mikoty azy elà dia ho mora zaka

:) Zarao @ namanao

Miala aina

Hoatrany ahoana ry Dada izany olona miala aina izany ?

Noentin’ny Dadany nijery GYM BEPC teny Mahamasina lery mba hamaliana azy:

Jereo ireo avy nihazakazaka ireo. Hoatr’ireo zany miala aina zany

:) Zarao @ namanao

DIDY FOLON’NY HAKAMOANA:

1/ Zava-masina ny asanao sy fianaranao, ka aza kitihana matetika
2/ Mialà sasatra ny andro, mba hatorizanao ny alina
3/ Aza atao anio izay mbola azonao atao rahampitso
4/ Rehefa tonga ao aminao ny faniriana hiasa, dia mangalaha aina kely, ho hitanao fa handalo ihany izany
5/ Mahaiza manampy olona, rehefa ilay mitsotsotra iny izy
6/ Tsy mahafaty ny mipetraka
7/ Mandehana dieny malaina, mandehana matory
8/ Ny 10% hozatry ny olombelona ihany no miasa rehefa matory, mahatratra hatramin’ny 80% izany rehefa miasa, koa nahoana no mandrera-tena?
9/ Ny tanjon’ny olona miezaka mafy dia ny hanana ny ampy mba hakana aina, fa maninona raha tonga dia maka aina e!
10/ NY torimaso no hitovizana amin’ny mpanakarena, mba manak’ambo hoe manan-karena, matoria

partageo ho an’ireo namanao kamolahy sy vavy.

:) Zarao @ namanao
error: ce contenu est protégé