Adala sitrana

Tao amin’ny toerana fitsaboana adala iray:
– Te hiresaka aminareo roalahy farany aho alohan’ny handefasako anareo mody.
– Eny dokotera.
– Raha harotsaka ao anaty ranon’Anosy ny siramamy iray kilao dia mety ahamamy azy ve?
– Tena mamy dokotera an! siramamy ray kialo zao ve?

Tena mbola tsy sitrana ity voalohany ity hoy ny dokotera. Mbola tazomina indray aloha ianao.

Ary ianao? Mantsy an’ilay faharoa
– Tsy mamy an!
Ity faharoa ity no toa efa sitrana hoy dokotera. Fa ahoana ary?
– ka mbola tsy nafangaro koa

Roahako ianao an !

Nisy mpivady izay manofatrano ao ambaninay. Matetika toa miady foana izy ireo amin’ny alina be.
Ramatoa : Roahako ianao an ! roahako ianao an !
Rangahy : marenina an ! efa hoe maren ianao an !

Tena mankaleo be mihitsy, ny maraina nefa dia toa mifankatia be tsy misy hoatran’izany izy roa.

Kay rehefa tena nodinihina dia hoy :
Ramatoa : Roi-ko ianao an ! Roi-ko ianao an !
Ary hoy Rangahy : Ma reine an ! ma reine ianao an !

Hitako zareo miombona sy mifankatia be foana rehefa maraina ny andro

voasarin’ i nenitoa

Misy voasary teo amin’ny tranon’ i nenitoa anay. Te ihinana an’ilay voasary aho nefa misy rajako masiaka foana miambina ilay izy.

Inona hoy ianao no nataoko mba ahazoako an’ilay voasary?
Notorahako tamin’ny vato ilay rajako, indray, indroa, intelo …

Farany, tezitra be lay rajako : namaly koa, notorahany tamin’ny ireo voasary aho
Azoko ihany ireo voasary, lasa aho nandeha

Kotroka sy orana

– dada an! Fa maninona oa no avy ny orana e?
– manasa lamba l’ty Andriamanitra a!
– ary ny kotroka zany manao inona izy?
– mampirin-trano lesy a!
– dada ary rehefa manerika zany dia maninona izy e?
– mandro ao amin douche letsy a, ary andana amin zay ialahy mandeha any!

Maninona isika no misotro rano ?

Fa maninona isika no misotro rano ?

Satria ny rano tsy azo hohanina

error: ce contenu est protégé