konfesy fa hiova

Nisy tovolahy iray nandeha nikonfesy :
– mopera, izaho mba hikonfesy
– eny anaka, mihaino anao ary aho
– tena tapa-kevitra aho mopera fa hiova fa tena malaza ratsy mihitsy hoe lehilahy maditra
– tsara zany anaka, hiova ho hendry amin’izay zany ve ianao ?
– eny, tena vonona ny hiova aho mopera, vonona ny hiova ho vehivavy hendry

Aleoko mangina

Hoy mamanay hoe ratsy tarehy hono ny olon-tiako.
Raha mijery ny tarehin’i dadanay aho dia aleoko mangina

Aina sa vola ?

Ratsy vintana, sendran’ny mpanendaka :
– aina sa vola ?
– inona anefa aloha ny fanomezana azoko raha marina ny valinteniko ?
– tsy manana fanomezana omena an’ialahy letia ny aty e
– lasa ary aho fa veloma ianao

Gidro ratsy tarehy

Hoy ity zanaka gidro t@ mamany : hono oa ry mama, fa maninona kay isika no toa ratsy tarehy be ?

Hoy ny mamany namaly :
isika ary mba azoazo ihany, fa ilay olona mamaky an’ity blagy ity nge ka tena ratsy tarehy be kokoa e

ratsy saina

mpisipa nampiaraka tany anaty ala dia nanontany le bandy

bandy : inona zao no anatin’ny eritreritrao ?
sipa : Mitovy amin’ny eritreritrao iany
Bandy : ianao zany ratsy saina ?

error: ce contenu est protégé