Tsy hay izay tena vendrana

Nifamaly ireto mpivady
Vavy: tena zay vao hitako fa tena vendrana mihitsy ianao! marina e! miaiky aho zay!

Lahy: iza no tena vendrana amintsika sy ianao: zaho vendrana sa ianao nanambady ahy ho vendrana?

Mampirafy ahy amin’i Zety

Mifamaly ireto mpivady:
– Tadidiko erý ny voadinao tamin’ny mariazintsika hoe: tsy hisaraka amiko ianao na ho boka na ho kilemaina, na ho jamba an!
– Marina akia zany chérie vadiko an! tsy mandainga aho ary mbola tsy nivadika tamin’izany.
– Ka maninona ary vao ireto nifiko ambony ireto fotsiny no niala dia efa lasa sahady ianao mampirafy ahy amin’i Zety ?

Tena tiako

Niaraka nijery fahita lavitra ireto mpivady:
Ramose: iny ne tena an, sady nandefa rivotra be izy
Madama: andray sady efa angetoranao zaho no mbola tenatenainao koa an!
Ramose: azafady akia chérie fa ny tiako tenenina dia hoe: iny ne tena tiako akia an!
Madama: ssshhh

Roahako ianao an !

Nisy mpivady izay manofatrano ao ambaninay. Matetika toa miady foana izy ireo amin’ny alina be.
Ramatoa : Roahako ianao an ! roahako ianao an !
Rangahy : marenina an ! efa hoe maren ianao an !

Tena mankaleo be mihitsy, ny maraina nefa dia toa mifankatia be tsy misy hoatran’izany izy roa.

Kay rehefa tena nodinihina dia hoy :
Ramatoa : Roi-ko ianao an ! Roi-ko ianao an !
Ary hoy Rangahy : Ma reine an ! ma reine ianao an !

Hitako zareo miombona sy mifankatia be foana rehefa maraina ny andro

Bodo

Nisy rangahy mpinamana tafiara-dalana.
– Hafa ihany rangah ty ny miara-matory amin’ny Bodo rehefa amin’ny alina amin’izao ririnina zao an.
– Iza zany Bodo zany rangah ty. Nga ialahy mampirafy?
– aaa, zahay mivady mihitsy ary no miaraka aminy ao koa.
– Fa iza lesy zany a? Hafahafa an
– Bodofotsy lay matevina tsara iny lesy an!

error: ce contenu est protégé