Ampela rô tiako e

– Ino moa ty mampitomany anao ty zalahy?
– malahelo, vignitry zaho io fô namitaka zaho ny ampelako!
– Fô nagnino moa izy?
– Niaraka mandry tamin’olo izy nasaigny nandoa vola 3000ar lay olo.
– Giravy rô zegny e!
– Ny tegna nampalahelo zaho: olo mandry amin’azy 3000ar fô, izy koa zaho no mandry amin’azy 5000 ar ny alainy aty amiko nefa izy rô tiako e! marary rô ny foko e!

konfesy fa hiova

Nisy tovolahy iray nandeha nikonfesy :
– mopera, izaho mba hikonfesy
– eny anaka, mihaino anao ary aho
– tena tapa-kevitra aho mopera fa hiova fa tena malaza ratsy mihitsy hoe lehilahy maditra
– tsara zany anaka, hiova ho hendry amin’izay zany ve ianao ?
– eny, tena vonona ny hiova aho mopera, vonona ny hiova ho vehivavy hendry

Tara 1 volana

– Mitaintaina be aho cheri a
– Fa maninona
– Tsy izany fa tara 1 volana ny fotoanako
– Esy, fotoan-gasy izany malala fa aza atao mahataitra a

Ny tokony ho ataontsika

– ahoana rangah ny tokony ho ataontsika @ ity zanatsika mpangalangalatra vola matetika ity an ?
– hitako ny hevitra ramatoa a : aleoa ataontsika ao anaty baiboly @ izay ireo vola fa iny baiboly iny manko tsy kasihiny mihintsy

Ary ny siramamy

– Misy café ve o ?
– 200 ar dia mahazo
– Ary ny siramamy ?
– Efa ao anatiny ka, tsy mandoa vola
– Hay, omeo siramamy 5kg azafady

error: ce contenu est protégé