Taratasy

Indray andro nisy mpivady niady ka niaraka nanapa-kevitra ry zareo fa tsy hifampiresaka intsony. Fa raha misy tena tsy maintsy hifampiresahana dia soratana ao anaty taratasy.
Manomboka eto zany dia taratsy no hifampiresahana.

Madama: masaka ny sakafo fa mahazo mandeha misakafo ianao.
Ramose: Ho avy aho.

Ka indray andro anefa tsy maintsy mamonjy fivoriana vao maraina be ramose nefa hatramin’izay i madama foana no mamoha azy maraina.
Ramose: mba fohazo maraina kely aho ramatoa rahampitso a (soratra)
madama:eny ary (soratra)

kanjo tafatory maraina ramose. Tezitra mafy ary tonga dia nivazavaza tamin’ny vadiny
Ramose: fa ahoana aho no tsy nofohazinao maraina?
Madama: Jereo ao amin’ny table de nuit ny valiny.

Tsy tonga saina mintsy ramose naka an’ilay taratasy teo amin’ny table de nuit.
– Mifohaza rangahy ty an! tara eo ianao an! ( SORATRA MIVANDRAVANDRA BE)

S’abonner
Notifier de
0 Commentaires
Inline Feedbacks
View all comments
error: ce contenu est protégé
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x